Aller au contenu

Fiteny slava andrefana

Avy amin'i Wikipedia
Fiteny slava

Ny fiteny slava andrefana dia vondrom-piteny izay mandrafitra zana-pizàran' ny fiteny slava (miaraka amin' ny fiteny slava atsimo sy ny fiteny slava atsinanana). Anisan' io ny fiteny pôlôney sy ny fiteny tseky ary ny fiteny slôvaka izay fiteny ôfisialin' i Pôlônia sy i Tsekia ary i Slôvakia.

Fanasokajiana

[hanova | hanova ny fango]
Fiteny slava andrefana

Mizara vondrona telo ny fiteny slava andrefana, dia ny vondrona tsekôslôvaka sy ny vondrona sôraba ary ny vondrona lesitika.

Fiteny tsekôslôvaka

[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny tsekôslôvaka dia ahitana ny fiteny tseky sy ny fiteny slôvaka. Manana mpiteny 11 tapitrisa ny fiteny tseky, indrindra any Tsekia sy any Slôvakia ary any Aotrisy. Manana mpiteny 5,6 tapitrisa any Slôvakia sy any Etazonia ary any Tsekia ny fiteny slôvaka.

Fiteny sôraba

[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny sôraba dia manana mpiteny 100 000 izay manana sata voaaro any Alemaina ary mizara ho fiteny roa miavaka: ny fiteny sôraba ambany na fiteny losatiana, tenenina any Brandenburg, sy, ny fiteny sôraba ambony, tsy dia miely patrana loatra, tenenina any Saksônia.

Fiteny lesitika

[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny lesitika dia ahitana ny fiteny pôlôney, ny fiteny kasoba, ny fiteny pôlaba, ny fiteny slôvitsa ary ny fiteny silesiana.

  • Manana mpiteny 50 tapitrisa ny fiteny pôlôney, indrindra any Pôlônia sy any amin' ny tapany atsimon' i Litoania, ary koa any Belarosia, any amin' ny tapany andrefan' i Okraina, any Tsekia ary any Slôvakia, ary koa any am-pifindrà-monina (Eorôpa Andrefana, Amerika Avaratra).
  • Manana mpiteny 100 000 ka hatramin' ny 250 000 eo ho eo ny fiteny kasobiana, indrindra any amin' ny tapany avaratr' i Pôlônia (izay miteny pôlôney ihany koa) sy any Kanada.
  • Ny fiteny slôvintsa (fiteny pômeraniana antitra), izay efa tsy misy mpiteny intsony, nampiasaina tany Pomerania.
  • Efa tsy misy mpiteny intsony ny fiteny pôlabiana, izay nampiasaina tany amin’ ny faritra sasany any Alemaina sy any Tsekia (tao amin' ny Lohasahan' i Elbe).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]