Aller au contenu

Feon' olombelona

Avy amin'i Wikipedia
Kisarin' ny tadim-peo.

Ny feon' olombelona dia fitambaran' ny feo vokarin' ny fikasohan' ny rivotry ny havokavoka amin' ny faritra miforitra eo amin' ny lokatraokan' ny olombelona. Ny feo no heno rehefa misy miteny, mibitsibitsika, mitaraina, mitomany, mikiakiaka, mihomehy, mitabataba na mihira.

Ampahany manokana mamaritra ny famoahan' ny olombelona feo ny hatetiky ny fipararetra miteraka ny feon' olombelona, ka ny tadim-peo no loharano voalohany ipoiran' izany. Amin' ny ankapobeny dia mizara telo ny faritra mandray anjara amin' ny famoahana ny feon' olombelona: ny havokavoka sy ny tadim-peo ao amin' ny lohatraoka, ary ny faritra manontolo mahafaoka ny faratenda, ny lanilany, ny lela ary ny molotra. Misintona sy manosika rivotra amin' ny habetsahana sy tsindry sahaza ny havokavoka mba hampihovitrovitra ny tadim-peo. Avy eo dia mihovitrovitra ny tadim-peo mba hahatonga ny fikorianan' ny rivotra avy ao amin' ny havokavoka hamorona zavatra azo henoina izay loharanon' ny feo an-dohatraoka. Manitsy ny halava sy ny fihenjan' ny tadim-peo ny hozatry ny lohatraoka mba hahatandrify tsara ny haavon' ny feo. Manova sy misivana ny feo mivoaka avy amin' ny lohatraoka ny ampahan' ny lalam-peo eo ambonin' ny lohatraoka, ahitana ny lela, ny lanilany, ny takolaka, ny molotra, sns ary afaka mifandray amin' ny fikorianan' ny rivotra avy ao amin' ny lohatraoka mba hanamafy na hampalefaka azy.

Mahavita mamokatra feo isan-karazany ny fitaovana mpamoaka feo. Azo amboarina ny toetran' ny feo mba hanehoana fihetseham-po toy ny hatezerana, ny hagagana, ny tahotra, ny hafaliana na ny alahelo. Afaka manambara ny mety ho taona sy ny maha lahy na maha vavy ny tompony ny feon' olombelona. Mampiasa ny feon' olombelona ho fitaovam-pamoronana mozika ny mpihira.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]